FIFAMPIHARABANA NAHATRATRA TAONA PDS EDGARD RAZAFINDRAVAHY SY NY MPIARA-MIASA ETO AMIN’NY KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Nanantontosa fifampiharabana teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanantanjahantena ny mpiasan’ny Kaominina renivohitra notarihin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo notronin’ireo olomanan-kaja maro toy ny filoha lefitry ny mpanolotsain’ny tanana sy ireo mpiara-miasa akaiky azy avy. Nambaran’ny solontenan’ny mpiasa tamin’izany fa vonona izy ireo hantanteraka ny politikan’ny PDS dia ny filaminana eny amin’ny tsena, ny fitandrona ny filaminana amin’ny ankapobeny ary indrindra ny fahadiovana. Tonga maro moa ireo mpiasa tamin’ity fotoana satria dia fotoana iray nentina niarabana ny ray aman-drenin’ny tanana rehetra. Raha nandray ny fitenenana ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo Edgard Rzafindravahy dia nilaza fotoana iray ity taona vaovao ity hoetintsika hanompoana ny tanana sy hampisehoantsika rehetra hatramin’ny mpamafa lalana ka hatramin’ny mpiasa birao fa tiantsika Antananarivo ary vonona isika hampandroso azy. Marihina moa amin’ny maha tonon-taona ny taona dia nisy fanomezana nomen’ny mpiasa ho fanomezam-boninahitra ny ray aman-dreny ka tamin’ity indray mitoraka ity dia ondry matavy no natolotra azy ireo. Nisy ihany koa ny famelabelarana fohifohy ny zava-bita nandritra ny fotom-piasan’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo Edgard Rzafindravahy tao anatin’izay 5 volana nitondrany izay.