
Camion miaramila nibahana ny lalàna ho any Mahazoarivo, tetsy Ambanidia
Camion militaire à Ambanidia barrant la route menant à la Primature
Ny sary, hono, maneho voambolanana arivo. Alohan’ny ahitanareo ireo sary nalaina ny alatsinainy 26 janoary 2009, dia indro nadika eto ambany ny lahatsoratra hita tao amin’ny gazety “Ny Vaovaontsika”, laharana 1423, pejy faha 3, nivoaka ny alatsinainy 26 janoary 2009.
Une image, dit-on, vaut mille mots. Avant que vous parcouriez les photos prises le lundi 26 janvier 2009, ci-après l'article paru dans le journal "Ny Vaonvaontsika" (Groupe Tiko appartenant à Marc Ravalomanana), n° 1423, page 3, du lundi 26 janvier 2009.
Kianjan’ny13 Mey
Tsy hisy ny fihetsiketsehana
Harifidy R
Na nikiribiby hanao fihetsiketsehana eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey aza anio I Andry TGV sy ny mpiara-dia aminy dia tsy hisy io fihetsiketsehana io satria tsy ara-dalàna. Mazava ny tetika fa ireo mpikarama an’ady aloha no haroso mialoha. Manaraka tsikelkely ireo tokam-pisainana tsy mahalala afa tsy ny hoe TGV. Aorian’izay dia hisy ny andian’olona hanakorotana ary tanjona ny handrobana ireo magazay manodidina an’Analakely sy Behoririka iny. Tsy ho avy ao mihitsy kosa I Andry TGV izay efa mikatsaka ny lalan-kandosirana amin’izao fotoana izao.
Place du 13 ma
iIl n'y aura pas de manifestation
Harifidy R
Bien qu'Andry TGV et ses symapthisants ont chercher à tout prix à tenir une manifestation sur la place du 13 mai, ce jour, il n'y aura pas de manifesation marce que c'est illégal. La stratégie est claire : ce sont leurs mercenaires qui pointeront les premiers sur la place. Ensuite, les écervelés qui ne jurent que pour TGV, viendront petit à petit. A la fin, des groupes de manifestants iront semer le désordre dans le but de piller et saccagercles magasins des environs d'Analakely et de Behoririka. Il est certain qu"Andry TGV ne sera pas présent car, actuellement, il prépare sa fuite.

Asa ? Sosie angamba io amin'ny sary ambony io ? Lui, au mileu avec un foulard orange ? c'est peut-être un sosie de TGV ?
Saika tsy omeko tsiny io Harifidy io fa omeko be dia be satria “namana” tao aminy Madagascar Tribune ihany izy io. Niara-nihinana ny manta sy ny masaka ary samy nifampianatra izany hoe “analyse” na fakafakana. Ny soratra tokoa moa mi-toetra ka mainka fa ny sary ? Fa asa ? Efa fantany tokoa angaha fa ireo mpanao rugby sasan-tsasany dia nokaramaina 5 tapitrisa Ariary isam-batana’olona anao izany fandrobana izany. Satria tokoa kila ny Magro eo Behoririka sy any Tanjombato. Tsy nisy ny sary satria nalehoko nijanona teo amin’ny kianjan’ny 13 Mey mba hanamarinana ny soratr’ity mpanao gazety toa lasa mpiaro ity fitondrana naloan’ny vahoaka ity. Koa izao no izy ry Fidy kely : aleho alan’Andriana toa izay alam-bahoaka. Dia inona indray ny "Vaovaontsika" rahampitso ? Satria tsy nisy mihitsy korontany teo. Ary raha ireo Magro ireo dia ianareo naniraka sy nnakarama ihany no ifoterany. Tohizo ihany. Ny TGV, Tompoko dia olon'Andriamanitra marina, maniry demokrasia marina izay voasoratra ao anatin'ny Lalampanorenana malagasy.
Je n'aurai rien dit si cen'est que cet Harifidy était comme un frère pour moi, lorsque nous travaillons ensemble à Madagascar Tribune. Nousa vons fait les 400 coups et discuter mutuellement de l'esprit d'analyse et de synthèse. Si les écrits demeurent, que dire alors des photos en couleur ? Mais peut-être qu'il était déjà au courant de ces rugbymen payés à 5 millions Ariary par personne pour créer des troubles ? En effet, les Magro (Malagasy grossiste du groupe Tiko) de Behoririka et de Tanjombato), ont été incendiés. Pas de photos ici car j'ai préféré vérfier les assertions de Fidy kely (le surnom de mon ancien collègue servile) en restant sur la place du 13 mai. Comme tout s'est passé dans le calme total, que va-t-il raconté demain ? TGV, Monsieur, lutte dans la crainte de Dieu et aspire à une réelle démocratie inscrite dans la Constitution malgache.

Sao dia mersenera tokoa ireto ? Serait-ce des mercenaires ?

Asasakasak'ireo jamba ao amin'ny fitondrana . Demandez à ces aveugles au pouvoir




Ay ve tonga ihany i Andry TGV e ? Tiens, Andry TGV est arrivé ?





Iza indray no sahy hiteny hoe "Récréation" ity tolona ity? Io moa ny tenin'Aota Harinaivo Andrianatoandro,
mpikambana TIM, tao amin'ny TvPlus, ny zoma lasa teo iny .
Qui va encore parler de "Récréation", à propos de cette lutte ? Ce terme a été utilisé par Harinaivo Andrianatoandro,
porte-parole du TIM, dans l'émission "L'Invité du zoma" sur Tv Plus, vendredi dernier




Roso ho any amin'ny Tribonaly Anosy ny dia satria nisy mpianatra efatra no gadraina. Nambara fa hoe nitokaraka "cocktail molotov"
En route pour le tribunal à Anosy car 4 étudiants ont été incarcérés arbitrairement car accusés d'avoir lancé des cocktails molotov

Tena merseneera daholo izany ireo olona tsy amby tanisaina ireo ?
Pour Harifidy R. donc, tous ces gens seraient des mercenaires ?

Tonga tao Anosy i Andry TGV
Andry Tgv arrive au bord du lac Anosy


Efa niandry ny polisy. Nefa mahagaga fa be no vitsy. Nitsoaka ry zakalahy avy eo
Des policiers étaient déjà sur place. Etrange mais ils n'éaient qu'une poignée face à des milliers de gens

Tsy i Andry TGV mihitsy no nanome baiko handoro ny Tvm sy Rnm fa ny atezeram-bahoaka. Io no atao hoe justice populaire rehefa tsy atokisana intsony ny mpitondra sy ny ambaratongam-pahefana rehetra. Anisan'izany ny fitsarana
Andry TGV n'a donné aucun ordre d'incendier les locaux de la Rnm et de la Tvm. Il s'agit de la manifestation de la justice populaire, lorsque le peuple souverain n'a plus confiance aux institutions actuelles. En particulier la justice




Tsotra be ny toe-draharaha : efa roa taona anie ny vahoaka ny tsy faly ary niandry ny mpitondra be hiova famindra e ! Inona moa no teo ? Mbola " izao isika vao hanomboka hanatsara ny farim-piainan'ny vahoaka "... Mila mpirarika anefa nyvahoaka saria biby tsy manan-doha tsy afa-mihetsika. Nijoro ary ny Ben'ny Tanànana Andry Rajoelina, sady tanora no tena sahy ary niasa na dia teo aza ireo fingafingana samihafa. Ny tanora no lazaina foana hoe : hanangana ny hoavy. Iza ary no anakana azy ireo andray y hoaviny an-tànana ? Ny mpikarama ady efa fantatra fa avy aiza ve ? Ny tolon'ny Fahafahana, Tompoko, tsy voavidy vola na ahoviana na ahoviana. Hajao ny vahoaka dia hanaja anao izy. Izao dia sady tsy misy intsony ny radio Viva sy ny Tvm ary Rnm. Niteny ny vahoaka : nipoaka ny sarom-bilany ! Raha mbola miziriziry ihany ity fitondrana ity ka hampiasa afrikana andatsa-drà, dia azy ny azy fa efa hiroso amny amin'ny Repoblika faha IV ny Malagasy. Izay no finidiny ka farano malaky ny didy jadona fa tara be. Tara toa ny fanapahan-kevitra ho avy. Nisy teo ny fotoana fa izao dia hamono afo foana nefa tsy maintsy hiala eo. TADIDIO NY TANTARA FA NY TODY TSY MISY : NY ATAO IHANY NO MIVERINA. MASINA NY TAINDRAZANA IOMBONANA. TSY AMIDY RY TSY ATAKALO VOLA ! Io, Tompoko no afara avy any aminn'y vahoaka. Ka asa indray ny lahatsoratra tsy mifandray amin'ny zava-misy hosoratan'ireo "mpanao gazety" ao amin'ny "Le Quotidien" sy "Ny Vaovaontsika".
L'affaire se résume ainsi : il faut savoir que cela fait deux ans que le peuple était mécontent mais espérait encore que les dirigeants allaient s'améliorer et améliorer leur vie au quotidien. Mais où en est-on encore ? aux " c'est maintenant que nous allons commencer à améliorer votre pouvoir d'achat ". Tout peuple a besoin d'un Leader. Le Maire Andry Rajoelina a décidé de faire face et de prendre ses responsabilités pour devenir le porte-parole de ce peuple. Il est jeune, entrepranant et a réalisé des choses malgré tous les coups bas portés par le pouvoir central à son encontre, tout le long de l'année 2008. On dit souvent que l'avenir appartient aux jeunes. Qui pourrait les empêcher de prendre leur propre destin entre leurs mains ? Les mercenaires grassement dont tout le monde sait d'où ils viennent ? Sachez alors qua lutte pour la liberté ne s'achète ni ne se négocie. Respectez le peuple et il vous respectera. A présent, il n'y a plus de radio Viva ni de Rnm ni de Tvm. Le peuple a tranché : le couvercle de la marmite a explosé ! Si ce régime s'entête à s'accrocher en utilisant des Africains pour verser du sag malgache, il en sera tenu responsable car le peuple malgache marche lentement mais inexorablement vers sa IVème République. C'est son choix. Aussi, il est grand temps pour vous d'arrêter cette dictature. Il est désormais trop tard pour vous chercher des excuses pour l'avenir immédiat. Le peuple vous avez donné un temps de réflexion mais à présent vous allez jouer aux pompiers pour éteindre les feux que vous avez vous-mêmes allumé. Or, tôt ou tard, vous devrez partir. RAPPELEZ-VIOUS L'HISTOIRE. IL NE S'AGIT PAS DE JUSTICE IMMANENTE MAIS CE QUE VOUS AVEZ FAIT A D'AUTRES VOUS REVIENT EN PLEINE FIGURE. LA TERRE COMMUNE DES ANCETRES EST SACREE. ELLE NE SE COMMERCIALISE PAS NI NE SE NEGOCIE ! Voilà le message venant du peuple malgache. Que va encor écrire "Le Quotidien" et "Ny Vaovaontsika" demain ?
Araka ny vaovao farany nampitain'ny namana mpanao gazety vao taminy 7 ora teo dia ROA NY MPOMBAN'NY TGV MATY VOATIFITRA AN6KITSIRANO, TAO AMIN'NY MBS ANOSIPATRANA ! LASA MPAMONO OLONA IZANY NY FITONDRANA RAVALOMANANA ARY DIA ANARA-DIA AN'IREO FILOHA NODIMBIASINY. Miondrika eo amin'ireo mpitolona namoy ny ainy ary miombom-bavaka amin'ireo fianakavian'izy ireo ny CUA iray manontolo.
Aux dernières nouvelles reçues d'un confrère, vers 19h, DEUX MEMBRES DU TGV ONT ETE DIRECTEMEENT TUES PAR BALLE A LA STATION TELE ET RADIO MBS A ANOSIPATRANA. CE QUI SIGNIFIE QUE LE REGIME RAVALOMANANA EST DE VENU ASSASSIN ET QU'IL SUIT LES TRACES DE SES PREDECESSEURS. Tout le personel de la CUA, à commencer par le Maire Andry Rajoelina, présente ses sincères condoléances aux familles des défunts qui ont péri pour la lutte contre la dictature. Marc Ravalomanana a du sang sur les mains et a montré sa façon de diriger s*le peuple malagasy.
Sary sy soratra :
Jeannot Ramambazafy - Mpanao gazety