« Toute l'eau des océans ne suffirait pas à éteindre le feu de l'Amour. Et toute l'eau des fleuves serait incapable de le noyer. Imaginons quelqu'un qui offrirait tous ses biens pour acheter l'amour :
il ne manquerait pas de recueillir le mépris » (Cantiques des Cantiques : 8 : 7)
Perle Rasoloarijao
" Là où est l'Esprit de Dieu, là est la Liberté "
Angamba efa masaka ao an-tsain’ny olona fa na izany na tsy izany dia hiverena-tsika kely aloha ny tantaran’ny nahatongavan-tsika tamin’io asabotsy io. Tantara moa lava be, f’angamba eo amin’ilay fanompoam-pivavahana notanterahan-tsika, ary hisaoran-tsika an’Andriamanitra, no hiverenan-tsika kely. Satria raha niantso ny mponinan’Antananarivo isika izany, ny alahady 4 janoary 2009 dia resy lahatra fa niseho ny voninahitr’Andriamanitra. Misy hevitra somary voizina mantsy ary tena mampalahelo fa miteraka savorovoro ao anatin’ny sain’ny olona. Ka io izany aloha no ilana fanazavana kely.
Satria misy izany ny fahitan’ olona sasany ary miteny zavatra sasany manambara hoe : atao fitoavana politika ny fivavahana. Ka eto dia miteny ny tena, amin’ny maha kristianina mpanompon’Andriamanitra, fa natao indrindra iny fotoam-pivavahana iny ho fisaorana an’Andriamanitra, fangataham-pitahiana ary indrindra indrindra fitondrana am-bavaka ny zava-drehetra. Ka ny tiana ambara dia ny hoe : izao zavatra miseho izao dia valim-bavaka ary tsy fitoavana politika ny fanompoam-pivavahana fa eo indrindra no hidiran’ny tenin’Andriamanitra manambara hoe : « Izay toeran’ny Fanahin’Andriamanitra no misy ny Fahafanana ». « Là où est l’Esprit de Dieu, là est la Liberté ».
Izany hoe raha mitolona isika izany, ho an’ny Fahafahana, ho an’ny Falalahana mamoaka hevitra, miady amin’ny zavatra rehetra tsy mahomby, ny tsy rariny, ny tsy hitsiny, ny tsy fahazoana miteny dia teny ao anatin’ny fanatanterahana ny sitrpon’Andriamanitra, izany zavatra izany. Ka raha misy hevitra izany izay mifanohitra amin’izay, mandeha, dia tena fampialana ny olona ao anatin’ny fahafantarana ny hoe soatoavina kristianina. Izay izany aloha dia tianay ipetraka tsara mba hazava tsara any anatin’ny fo sy ny sain’ny be sy ny maro fa iny hetsika nataon-tsika iny dia tena ao anatin’ny ady ao anatin’izany hoe fahafahana izay. Andriamanitra dia, raha namorona ny zanak’olombelona izy, dia nanome malalaka ny safidy fa tsy nanery.
Ka soatoavina lehibe anankiray izay hiadian-tsika izany, ary ao anatin’izay : endriny anankiray fotsiny anie, raha ny marina, ity tolona ho an’ny demokrasia ity. Ary mbola hita taratra tamin’io asabotsy 24 janoary io izany, dia antsika mponina sy vahoakan’Antananarivo ary ny Ben’ny Tanàna izay nitarika azy no naneho izany. Ahoana moa no tsy ho hita taratra ? Ity anie dia ady farany amin’ny finoana e ! Ary fanta-tsika loatra fa ny Ben’ny Tanàna no nitarika ny fampandresena ny demokrasia izao, dia efa nanambara fa fijoroana vavolombelona iny nataon-tsika iny. « Un témoignage d’une mission sacerdotale » no ilazana azy amin’ny teny frantsay.
Izay mihitsy ilay izy : amin’ny maha-zanak’Andriamanitra mihitsy fa tsy hoe amin’ny maha-olom-pirenena tsotra fotsiny. Fa tena eo dia eo ny maha-olom-pirenena, kanefa ihany koa fanambarana ny olona rehetra, satria izay ihany koa ny hoe fijoroana vavolombelona. Ny olon-drehetra miara-mientana, izany hoe hetsika na « mouvement » no nataon-tsika ary tao anatin’ny fandriampahalemana tanteraka. Izany hoe : ireo fiainan’ireo soatoavina mihitsy endrik’izao hetsika izao, mba ho tonga soa aman-tsara amin’ny olona rehetra ary ho « mouvement non-violent ». Izany hoe : raha ho an’ny mpitarika an’izany tolom-panafahana izany eo ambanin’ny fitarian’ny Fanahin’Andriamanitra.
Izay toeran’ny Fanahin’Andriamanitra no misy ny Fahafahana. Dia azon-tsika heverina fa tena « mouvement non-violent ». Aza fady amin’ilay teny frantsay. Hetsika tsy misy erisetra. Inona moa izany erisetra, izany jadona izany ? Izany dia tsy avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra ».
Perle Rasoloarijao, Adjointe au maire : Affaires Cultuelles et Culturelles, Jeunesse et Sports