« Toute l'eau des océans ne suffirait pas à éteindre le feu de l'Amour. Et toute l'eau des fleuves serait incapable de le noyer. Imaginons quelqu'un qui offrirait tous ses biens pour acheter l'amour : il ne manquerait pas de recueillir le mépris »
(Cantiques des Cantiques : 8 : 7)
Lamesa amin’ny Alahady 11 Janoary 2009



Efa tomombana avokoa izao ny fanomanana ilay fotoam-pivavahana atao ny Alahady 11 Janoary 2009 etsy amin’ny zaridainan’Ambohijatovo izay ho lasa Kianjan'ny Demokrasia.
Efa voazara avokoa ireo fanasana. Ho an’ny mponinan’Antananarivo dia mety hisy ny fitanterana tsy andoavam-bola fa mbola tsy fantatra ny antsipiriany mahakasika izay.


Le culte oeucuménique organisé par la Mairie de la ville d’Antananarivo aura lieu le dimanche 11 janvier 2009 au jardin d’Ambohjatovo, à partir de 14h30, pour une durée d’environ une heure. Tous les éléments de la police municipale ainsi que les sapeurs pompiers seront mobilisés durant ce culte.

Dès 13h, la rue descendant du tunnel d’Ambanidia vers le marché communal d’Ambohijatovo sera fermée à la circulation. Par contre, celle montant vers le tunnel, côté Adf et Omnis se fera en en double sens. C’est le Pasteur Yvonne qui dirigera ce culte pour implorer la Grâce du Seigneur, selon une organisation interne du Ffkm. Les explications en malgache de Mme Perle Rasolarijao, Adjointe au Maire chargée des affaires cultuelles, culturelles, de la jeunesse et des sports.

Ramatoa Perle Rasoloarijao (photo - eo amin'ny sary), Ben’ny Tanàna lefitra misahana ny raharaham-piangonana, ny ara-kolontsaina, ny tanora  sy ny fanatanjahatena.

« Amin’ity taom-baovao ity dia tsara indrindra, satria isika efa misahana ihany izany « cultuel » izany. Izany hoe, atomboka aloha amin’ny fanompoam-pivavahana ny zavatra rehetra. Efa mandeha izao ny fanasana amin’izao isika miteny izao, ary ny olona ao amin’ny fanjakana dia tena nataonay anton-javatra lehibe mihitsy ny fanasana azy ireo. Ny antony ? Dia satria vavaka ihany koa izy ity. Ho an’Antananarivo Renivohitra, ho an’ny mponina ary indrindra ihany koa ho an’ny firenena (…). Nataonay voalohany indrindra dia namangy aloha an’ireo ray aman-drenim-piangonana. Rehefa izany ary dia nampatsiahivina anay, ary anisan’ny nampatsiahy anay moa ny « Archevêque », izay efa fantra-tsika ihany koa moa ny fisiana, dia ny hoe : raha Antananarivo, hoy izy, dia misy ny rafitra Ffkm Antananarivo Renivohitra izay tena misahana izany. Ao anatin’izany moa ny filoha izay Fjkm, Pasitora Yvonne. Izy izany no mandrindra miaraka aminay. Isaorana ny Tompo fa efa milamina izany ».

Eo amin’ny lafin’ny fandriampahalemana dia hiasa avokoa ny polisy monisipaly rehetra miaraka amin’ireo mpamonjy voina ary ny skoty. Hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany ny fotoana ary haharitra eo amin’ny adiny iray eo. Marihina da manomboka amin’ny iray ora tolakandro dia ho tapaka ny ampahan-dalàna midina amin’iny tsenan’Ambohijatovo iny. Ho azo alehan’ny fiara roa mifanena kosa ny lalàna mandalo eo amin’ny ministeran’ny mponina teo aloha iny. Izany hoe ilay miakatra ho any amin’ny tonelina Ambanidia.

Vaovao farany : Araka ny vaovao azo farany dia tsy nanaiky mihitsy ny fitondrana raha tsy atao amina toerana voafefy ity lamesa lehibe ity, satria hono, misy ireo gadra nitsoaka ka sao dia mifangaro amin'olona raha toa ka atao an-kalamanjana ity fotoam-pivavahana ity. Ho hita-tsika rahampitso ihany ny tena marina sy ny fepetra raisin'ny CUA.

Dernières informations. Le régime actuel refuse que ce culte se fasse dans un endroit non clos, à cause "des prisonniers évadés qjui pourraient commettre des mauvais coups au milieu de la foule". Nous en saurons plus demain, à propos des nouvelles dispositions que devront prendre les responsables de la CUA face à cet énième coup bas très choquant pour la grande majorité des Tananariviens qui sont de religion chrétienne.