« Toute l'eau des océans ne suffirait pas à éteindre le feu de l'Amour. Et toute l'eau des fleuves serait incapable de le noyer. Imaginons quelqu'un qui offrirait tous ses biens pour acheter l'amour :
il ne manquerait pas de recueillir le mépris » (Cantiques des Cantiques : 8 : 7)
CULTE AU GYMNASE COUVERT DE MAHAMASINA
Edmond Rakotomavo, Préfet de police, Tvm 8 janoary 2009 hariva
Fivoriana tao Ambohidahy ny marainan’ny 8 janoary 2008 : " (…) Ny antony tsy maha mety ny zaridainan’Ambohijatovo : Raha sanatria ka misy ireo gadra raindahiny ireo no mandositra dia tsy maintsy hanatona izat fivorivoriana hiditra any. Kanefa hatrany lavitra any dia mety hisy ny poa-basy hanenjehana azy, sns. Sao mitera-doza izay zavatra izay. Ny marihinay fotsiny dia ny hoe : ilay fivoriana ankalamanjana dia io fotsiny no hialana amin’izay toe-draharaha izay mety hisy izay. Izay fotsiny no tianay hisarihina ny sain-dry zareo tompon’andraikitra hoe : tsy aleho ve afindra anaty trano, na anaty fiangonana, na gymnase io na tranompokonolona io. Rehefa trano clôturé fotsiny an, mba hafahan’ny mpitandron’ny filaminana mora mora kokoa ny hiarovana tsy hitsofotsofoka ireny gadra nandositra ireny an, ka mety hitera-doza sy savorivory (…)". Edmond Rakotomavo, Préfet de police - TvPlus 8 janoary 2009 hariva " Tsy misy fisakanana mihitsy izaly izy fa malalaka ny fanaovana ilay fotoam-pivavahana. Fa noho nyzava-misy kosa eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, indrindra eto Antananarivo Renivohitra, misy gadra raindahiny izay nandositra avy any Tsiafahy sy avy any amin’ny fonja afa koa na avy amin’ny fonja ivelan’Antananarivo, mamonjy ny eto Antananarivo Renivohitra daholo. Dia mbola eo ampanenjehena ireo mihitsy ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Ny baiko moa dia efa fantatra fa rehefa manenjika ireny olona atao hoe fugitifs ireny dia mampiasa ny hery rehetra eo ampelatanany ny mpitandro filaminana. Ny atahorana izany sao dia misy fifanjevon-dravatra raha sanatria avy any ka misy fanenjehana dia ireny gadra ireny hanatona fivorivoriana an-kalamanjana ireny. Dia miangavy izany izahay tompon’andraikitra hoe : tsy aleho ve io mba ataon-tsika -tsy hoe fisakanana mbola lazaiko ihany- fa aleho atao-tsika ao anatina trano ilay izy an, na fiangonana, na gymnase couvert, na tronompokolona.. izay toerana malalaka hitan’ny tomponandraikitra. Dia manantena ny fahendren’ny tomponandraikitra izahay mba hiarovana ny fisavorivoriana sy ny ain’olona ihany koa ".
" Naharay ity taratasy ity avy amin’ny Préfet de police izahay androany ka izao ny ampahan’izany taratasy izany : Marihina mantsy fa hampiasa ny fomba rehetra eo ampelatanany ireo mpitandro filaminana hisamborana izany gadra izany araka ny baiko efa azon’izy ireo. Izany hoe hampiasa ny hery rehetra mihitsy izany ireo mpitandro ny filaminana hisamboranana izany gadra izany, satria mety hisy gadra ho avy, araka ny lazain-dry zareo ao Ambohijatovo. Koa manoloana izany tarehin-javatra momba ny fandriampahalemana izany dia tsy azo ekena ny fampiasana ny zaridainan’Ambohijatovo amoriana ny olona eny ankalamanjana. Marihina ihany fa ny antony hanaovana ialy fotoam-pivavahana aloha dia bestaka loatra ny olana nosedrain’ny CUA tamin’iny taona 2008 iny, ary mendrika raha ho entina ambavaka ity tanàna ity, ity firenena ity isantarana izao taona 2009 vaovao izao. Na izany na izany anefa dia nanome soso-kevitra ny Préfet de police hoe : ataovy any aminy trano mihidy toa ny fiangonana, na gymnase. Izaho moa dia masahy milaza fa tsy omby mihitsy ny trano raha any an-trano ilay izy no atao, nefa raha ohatra ka izay no hitan’ny Préfet de police hoe atao dia hitan-tsika eo ny fomba anaovana azy. Fa ny zavatra mahatsikaiky amin’ity taratasy ity dia efa andro ampotomoto, efa fotoana fohy ao alohan’ny fanatontosana ilay fotoam-pivavahana no sakanana satria efa mandeha daholo ny fampiantsoana ny olona sy ny fikarakarana rehetra. Ary fivavahana no atao ao. Ka ny afatra dia : na inona kidona, na inona kihatra dia tsy maintsy atao ny fotoam-pivavahana, ka ho atao izany izy io ao amin’ny gymnase couvert ary rehefa ho avy eo ny mponinan’Antananarivo tsy vaky volo, eny fa na ny manodidina an’Antananarivo, na avy any amin’ny faritra aza dia mba hasehoan-tsika izany satria handresy ny ratsy isika, hiadt amin’ny ratsy isika ary hivavaka ho an’ny tanàna mba hanjaka eto ny Fahazavana iray manontolo. Ka ao anatin’izay dia manentana ny mponinan’Antananarivo rehetra tsy vaky volo mba ho tonga ary anao akanjo fotsy handresen-tsika ny maizina. Anao ankajo fotsy daholo isika mianakavy, ho avy ao Mahamasina ".
Andry Rajoelina, Ben’ny Tanànan’Antananarivo - Radio Viva 9 janoary 2009 maraina
" Ny CUA sy ireo mpitantana ao aminy dia indrisy fa tsy mba manana fitaovam-piadiana afa tsy ny finoanay, ary raha mikasika ny hoe fandriampahalemana amin’io alahady 11 janoray io dia izay finoana izay. Inona moa ny hitranga eo fa hisy ny Tily, hisy Tafika masina, ary ny mpitandro filaminan’ny CUA no hitandro ny filaminana ao. Izaho mino fa hilamina ny mponina eto Antananarivo, hilamina ny vahoaka tsy hanana fitaovam-piadiana izahay fa izay finoana izay no hijoroanay. Ny hevitra vohizina moa dia : mila entinan’ambavaka ny tanànan’Antananarivo. Arye to aho dia efa misaotra sahady ny mponinan’Antananarivo rehetra, manomboka tamin’ny fitantananay an’izany Antananarivo izany. Andriamanitra dia nitahy an’ny tenenay talohan’ny fampielezan-kevitra, nandritra ny fampielezan-kevitra ary nandritra ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Ary tsy mamela antsika ho irery mihitsy Izy. Betsaka ny fitsapana tao anatin’izany fitantanana izany nefa inzay indrindra no mahatonga antsika hoe aleho -ry rariny sy hitsiny- raha ataon-tsika fangataham-pitahiana, fotoam-pivavahana ity taona vaovao 2009 ity.
Ny fandaharam-potoana nokasaina hatao etsy amin’ny Kianjan’ny Demokrasia na ny zaridain’Ambohijavo ihany no tsy hisy hiova. Fa amin’ny 11 ora no manomboka mampiditra ny olona ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Amin’izay fotoana izay dia efa hisy ny fanentanana ao, hisy chorales isan-karazany no hiventy hira ao. Amin’ny 2 ora sy sasany no hanomboka ny fotoam-pivavahana. Ho an’ireo olona izay tsy tafiditra dia ho jeren-tsika ny hanasiana chapiteaux vitsy vitsy ao ivelany sady manentana ny olona hitondra ihany koa fitoavana afahana mipetraka eny ivelany satria hasiana sonorisation eny ivelany, dia mba mitondra rano fisotro, satria adin’ny roa zo ho eo ny fotoana. Mila miomana amin’izany no olona rehetra. Aza adino ny mitondra elo sy satroka satria hidanika rahateo ny masoandro ho an’ny ireo olona tsy ho tafiditra. Izaho dia resy lahatra fa ho tonga eny sy ho avy iombombavaka eny ny mponina eto Antananarivo iray vohitra haneho ny firaisan-kina sy haneho ny fitiavany an’Antananarivo ary hiara-iombombavaka ho an’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo sy ireo mpiara-miasa aminy eto amin’ity tanàna mami-tsika ity ".
RESUME EN FRANÇAIS
Le culte organisé par la CUA, prévu se tenir sur la Place de la Démocratie, en l’occurrence le jardin d’Ambohijatovo, est déplacé dans le gymnase couvert de Mahamasina. Une décision prise à la suite de l’interdiction émanant du Préfet de police. Interdiction ridicule car justifiée par l’évasion de prisonniers toujours en cavale pour le Maire de la Capitale : " La situation est tout à fait déplorable, et cette décision du Préfet de police intervient juste à deux jours du culte que nous organisons. Ainsi donc, les forces de l’ordre entendent utiliser tous les moyens en leur possession pour arrêter ces évadés jugés susceptibles de se fondre dans la masse durant cette messe ? Normalement, il est logique que les prisonniers en cavale ne penseront pas à s’aventurer sur des lieux publics où ils risquent très fort de se faire appréhender ". Et c’est ainsi que ce culte dédié à libérer la ville d’Antananarivo des esprits malveillants qui y planent, sera donc déplacé dans le gymnase couvert de Mahamasina qui sera ouvert dès 11h, ce dimanche 11 janvier 2009. Le culte proprement dit débutera à 14h30 pour une durée de deux heures environ. Sous la surveillance de scouts, de l’armée du Salut et de la police municipale. Une décision mûrement réfléchie avant d’être prise. « Il ne s’agit pas d’un geste de faiblesse vis-à-vis de l’Etat. Je reste confiant bien que sachant que le gymnase s’avèrera trop exigü pour contenir tous les Tananariviens et même les habitants des zones périphériques, des autres régions de Madagascar. Car malgré cette interdiction, la population sera bel et bien présente au rendez-vous ». A propos de port de la couleur blanche que le maire a demandé à tous de porter : « Si certains journaux de ce jour (vendredi 9 janvier 2009) ont leur interprétation à propos d’une quelconque couleur de reddition (drapeau blanc), il ne s’agit ni plus ni moins que le symbole de la lutte de la lumière (couleur blanche) contre les ténèbres, les forces du mal (couleur noire).
Perle Radsolarijao, Lefitry ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo - Radio Viva 9 janoary 2009 maraina
« (…) Misy tiako ambara ihany aloha dia ny fahatairan’ny tanora indrindra indrindra rehefa niova ilay toerana izany. Ny tanora no ohatrany somary taitraitra hoe fa ahoana moa izao sns, sns… Kenefa rehefa nanambarana fa ny zavatr’Andriamanitra dia olona mora alahatra, dia isaoran-tsika ny Tompo fa dia tony ihany izy ireo. Ary tena tony mihitsy fa tsy hoe tony ihany ! Ary io koa moa ny tenin’Andriamanitra manambara ny amin’ny hoe : Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa. Ka ny zavatra rehetra no isaoran-tsika, ka raha misy izany ny fandaminana vaovao, ny anjara-tsika zanak’Andriamanitra dia ny misoatra amin’ny zavatra rehetra. Manaraka izay, toan’ ilay hoe somary fahataitairan’ny olona sasany izany satria tsy nampoizina tokoa. Izahay moa, ao anatin’ny departemanta misy anay dia nanao tokoa ny fandaminana an-tsakany sy andavany, ary isaorana an’Andriamanitra satria efa nandroso dia nandroso tokoa ny amin’ny fanentanana maro samihafa ho eny Ambohijatovo isika rehetra kanefa ohatran’ny somary nanaitra ihany ilay izy. Ka eo indrindra no ampatsiahivana kely ny zavatra voalaza ao amin’ny soratra masina satria fanompoam-pivavahana indrindra koa moa izany no resahin-tsika. Ilay texte moa dia tadidiko tsara fa ao amin’ny voasoratra ao amin’ny filazan-tsara arak’i Matio. Evanjilin’ny Masindahy Matio izany ho an’ny rahavavy katolika. Ao amin’ny Matio toko faha-3, andininy faha-15 ? Ao izany, rehefa nangataka i Jesosy Kristy an’i Jaona hanao batisa azy dia taitra be i Jaona satria nivadika ny rasa : fa ahoana ? Izaho indray ve, Jaona olombelona kely ity no hanao batisa an’i Jeso Kristy, zanak’Andriamanitra ? Fa tsy tokony i Jeso Kristy ve na hanao batisa ahy Jaona ? Dia ohatra somary nisy fahatairana mihitsy ary fandahavana aza tao am-pon’i Jaona hoe ; tsy mety izany. Fa teo i Jeso no nanambara, hita ao amin’ny Matio toko faha-3, andininy faha-15 : « Rehefa nahita ny fahatairan’i Jaona i Jeso dia namaly hoe : Ekeo ihany ankehitriny ». Ity ny dikany amin’ny teny frantsay : « Mais Jésus lui répondit : Accepte qu’il en soit ainsi pour le moment » (Matthieu 3 : 15). Izany hoe misy fotoana ihany ny zava-drehetra fa ankehitriny dia ekeo ihany aloha. Ka tiako ampaherezana ny fon’ny olona rehetra izany mba tsy ahatonga azy isavorivory. Fa isika tsy eo amban’ny lalàna fa eo amban’ny fahasoavan’ny Tompo ary raha nisy ny fandaminana natao, manaraka ny fandaminana dia ny zanak’Andriamanitra. Ary arakaraka ny anarahan-tsika ny fandaminana, ananan-tsika ihany koa ny fo mahay mandefitra dia ao anatin’izay no miatra ny fanahin’Andriamanitra ary dia ahitan-tsika ny Voninahitr’Andriamanitra. Izay no handrandrain-tsika amin’ity fanompoam-pivavahana ity, mba hisehoan’izany fitahian’Andriamanitra, izany voninahitr’Andriamanitra izany. Ho ahy manokana aloha, rehefa miresaka ombieny ombieny, na amin’ny mpiara-miasa izany, na amin’ny mpiara-mivavaka izany, na amin’ny mpiara-manompo izany, amin’ny mpiray fo mitolona ho an’ny fanarenana ny tanindrazana dia hoe : tsarovy anie fa adin’ny maizina sy ny mazava no hiatrehan-tsika. Ka ny zanaky ny mazava dia manana ny fahazavana ao anatin’ny fony ; manana ny fahazavan-tsaina, velombelona ny fanahiny ary dia izay adin’ny maizina sy ny mazava izay no aoka tsy ho adinon-tsika hatrany hatrany. Fa raha nanendry an’i Mosesy, ohatra, Andriamanitra tamin’ny fotoan’androny hitarika ny zanak’Israely dia tena tolona politika tamin’izany fotoana izany fa tolona ara-panahy ihany koa. Satria Andriamanitra no nanendry, adin’ny maizina sy ny mazava. Ka dia izay izany fa angamba ho faranako eo ny teniko ary dia voninahitr’Andriamanitra izay rehetra nambara teto ».