« Toute l'eau des océans ne suffirait pas à éteindre le feu de l'Amour. Et toute l'eau des fleuves serait incapable de le noyer. Imaginons quelqu'un qui offrirait tous ses biens pour acheter l'amour : il ne manquerait pas de recueillir le mépris »
(Cantiques des Cantiques : 8 : 7)
COMMUNIQUE
FAMPATSIAHIVANA

Ao anatin’ny famerenana amin’ny laoniny ny « Hasin’ny Tanànantsika » dia mampahatsiahy antsika rehetra fa misy ny didy aman-dalàna izay mifehy ny asam-barotra eto amin’ny Faritry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra :

  • Araka ny didim-pitondrana laharana 97/510-CUA/ANT/CAB tamin’ny 22 Jolay 1997 mikasika ny fandrarana ny fivarotana entana isan-karazany amin’ny toerana sasany amin’ny faritry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra,
  • Araka ny didim-pitondrana laharana 199-CUA/CAB.08 tamin’ny 9 May 2008 mikasika ny fandaminana sy fampandehanana ny tsena eto amin’ny Faritr’Antananarivo Renivohitra :

Koa handray andraikitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary hiroso amin’ny fandaminana sy ny fanadiovana mifandraika amin’izany ka hampihatra ny lalàna manankery.

Natao teto Antananarivo faha-21 Aogositra 2009


REPOBLIKAN’I madagasikara
Tanindrazana – Fahafahana – Fandrosoana

COMMUNE URBAINE D’ANTANANARIVO
***********
  DIRECTION DES COMMUNICATIONS
***********

N° 064CUA/DC/09

COMMUNIQUE DE PRESSE

Ho fampiharana ny didim-pitondrana lah. 199-CUA/08 natao tamin’y 09 May 2008, izay manambara ny tsy fahazoana mivarotra ent ankalamanjana, eny amin’ny sisin-dalàna, eny amin’ny toeram-piantsonana, eny amin’ny hopitaly sy eny akaikin’y toeram-pianarana afa-tsy ireo nahazo alalana manokana avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia hisy ny hetsika faobe analana ireo mbola minia tsy manara-dalàna mivarotra eny amin’ireo toerana voalaza ireo. Ho fanombohana ny hetsika dia ny eo amin’ny faritra Ambohijatovo ka hatreny Analakely no hojerena manokana izay hanomboka ny talata 18 Aogositra 2009.
Ny lalàna dia mihatra amin’ny olon-drehetra tsy ankanavaka, na andro, na alina ary voakasika ao anatin’izany avokoa ireo mivarotra fiara sy finday, ireo mpivarotra zava-pisotro, hani-masaka, ny Taxi-phone, sns …
Ny tsy fanarahana ny lalàna misy dia mitarika ny tompon’andraikitra handray fepetra hentitra.

Talen’ny serasera sy ny fifandraisana

Cathy RAMAROBANDRO