DimLunMarMerJeuVenSam
   
 
 
 
Dernieres offres

 RESPONSABLE MAGASIN 
Société Internationale, CDI, Femme, 45 ans, Bacc + 5 en Gestion ou Commerce
Dépot : 07/05/2012

 DES CONTROLEUR(S) QUALITE 
STE VIVETIC, CDI, Homme-Femme, Bac 3 minimum
Dépot : 28/03/2012

 METTEURS EN PAGE 
STE VIVETIC, CDI, Homme, Bac 2 minimum

 CHAUFFEURS de DIRECTION 
SAVONNERIE TROPICALE, CDI, Homme, Plus de 35 ans

 DES CONTROLEUR(S) 
STE VIVETIC, CDI, Homme, Bac 2 minimum

6287è visiteur
ACCUEIL

Ry mpiray monina eto Antananarivo,

Amin-kafaliana no ifanolorako tanana aminao amin'ny alàlan'ity tranokalam-pifandraisana ity. Tolo-tanana ho fiarahabana amin'ny maha-mpiray tanàna antsika eto Antananarivo, tolo-tanana ihany koa ifanampiatsika hanatsara ny fiainatsika andavanandro.


Anisan'ny zo fototry ny olom-pirenena ny hiasa sy ahazo karama araka ny asany, hananany sy ny ankohonany antom-pisiana mendrika amin'ny maha-olona. Izany zo fototra izany dia amafisin'ny lalàm-panorenana eto amitsika.

Anisan'ny fanambitsika ihany koa ny hamerina ny hasin'ny tanànan'Antananarivo sy ny mponina ary ny mpiasa eto amin'ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Noho izany Ny Delegasiona manokan'ny Tananan'Antananarivo izay tarihiko, sy ny mpiara-miasa rehetra eto amin'ny fiadidiana ny renivohitra, dia faly manambara amitsika mponina rehetra eto Antananarivo ny fisokafan'ny AMIE (Agence Municipale des Initiatives pour l'Emploi ) izay sehatra fampahafantarana ny tontolon'ny asa eto Antananarivo. Rantsa-mangaika ato anatin'ny fiadidiana ny Tanàna ny AMIE ary natao indrindra mba hanatsarana ny fiainan'ny mponina. Ireto avy ny andraikitra raisiny :

1/ Fanomezana sehatra fampahafantarana ny tolotra sy ny tinady momba ny tsenan'ny asa eto Antananarivo. Tsy manome asa ny AMIE saingy sehatra iray tena manan-danja ifandraisan'ireo mitady asa sy mitady mpiasa ary ireo ivotoerana mikirakira ny tsenan'ny asa eto amin'ny tanànatsika. Amin'ny alalan'ity tranokala ity izay hanjary ho tahirin-kevitra (banque de données) momba ny tsenan'ny asa, dia heverina fa itondra ny anjara birikiny ny Tanànan'Antananarivo hanamorana ny fitadiavana asa sy ny fitadiavana mpiasa.

2/ Fanohanana ny asa tena (auto emploi) hampitombo ny famoronana asa. Afaka hifanerasera ato amin'ny AMIE ireo manana tetik'asa (micro-projet) sy ireo mpiara-miombona antoka ifanome tanana hanatsaràna ny fari-piainan'ny mponina.

3/ Fampiofanana sy fiara-miasa amin'ireo manana ny traikefa mifanaraka amin'ny filan'ny tolotr'asa rehetra mba hanitarana sy hanomezan-danja ny fahaiza-manao arak'asa.

Mino aho fa afaka hifanome tanana tsara isika mponina Antananarivo hananatsika fiaraha-monina taratry ny fandrosoana anatin'ny tanàna madio lalandava, midindra ary milamina. Koa alao hery ary ary ry sakaiza, hifanao tan-tsoroka isika eto anio ho an'ny fandrosoana maharitry ny tanànatsika.

 
 
Authentification © cua-2011